Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Rn11 a – Fiara am-polony lasibatra ny mpanakan-dalana tao anatin’ny 1 volana

Mirongatra ny asa ratsy ataon’ny mpanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena Rn11a izay mampitohy an’Antsampanana sy Mahanoro iny. Ahiana hivadika ho faritra mena mihitsy aza izany raha mitohitohy ny fandrobana ataon’ireo dahalo. Eo anelanelan’ny Marofy sy Ampitak’Ihosy no tena ratsy araka ny fanazavana voaray.

Efa tsy azo andehanana amin’ny alina intsony aza izany lalam-pirenena izany, satria ireny mandeha alina ireny no jonoin’ireo mpandroba. Tsikaritra ihany koa fa ireo fiaran’olon-tsotra mandeha irery no tena mahita faisana. Apetrak’ireo dahalo eny ampovoan-dalana ny vato be na hazo be ary ireo olon-dratsy kosa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny antsibe, famaky, hazo matevina sy ny maro hafa, hany ka vao mahita izany ny fiarakodia dia mijanona satria tsy afa-manoatra. Amin’ iny fotoana iny no hararaotin’ireo tsy mataho-tody handroba ary ireny zavatra maro entina ireny no alain’izy ireo, isan’izany ny vola, ny firavaka, ny finday ary ireo zavatra lafo vidy samihafa.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre