Lozam-pifamoivoizana – Namono olona indray ny Sprinter
Niampatrampatra ny faty olona tany amin’ny lalam-pirenena Rn7. Nijininika eran’ny arabe ny rà, ny alatsinainy teo tamin’ny 9ora alina. Io indray ny vokatra ny tsy fitandremana nataon’ny mpamily nitondra fiara marika Mercedes Sprinter iray, izay manao zotra mampitohy ny renivohitra sy Tsiroanomandidy. Noho ny fandehanana mafy dia nivadika ambony ambany ilay fiara taksiborosy rehefa tonga tany Antanambao, tanàna iray eo amin’ny 20km tsy hidirana an’i Tsiroanomandidy raha avy aty Antananarivo. Mpandeha efatra maty teo no ho eo ary anisan’izany ny mpamily mpanampy. Be dia be koa ireo naratra mafy hatramin’ny mpamily. Ity farany izay mbola miady amin’ny fahafatesana tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







