Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Manja – Matin’ny kalony ny dahalo

Sendra ny nahay azy ny dahalo tany Manja satria nifanehatra tamin’ny kalony ka iray maty tsy tra-drano ary iray hafa kosa naratra mafy. Omby miisa 24 no nangalarin’izy ireo tao amin’ny fokontany Beravy kaominina Anosibe. Miisa 25 ireo mpanafika ary nitondra basy fihazana sy zava-maranitra marobe. tsy nanaiky lembenana anefa ny kalony rehefa nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana. Ankoatra ny maty sy naratra dia latsaka ihany koa ny basy miisa 3 an’ireo dahalo ka ny roa dia SIMPLEX ary ny iray kosa BAIKAL. Vaky nandositra ireo olon-dratsy ary navelan’izy ireo ny omby rehetra ka tafaverina amin’ny tompony.

Tato ho ato dia hita fa efa miditra amin’ny fiarovan-tena ny vahoaka ifotony ary manao vy very ny ainy mihitsy hanoherana ny tsy fandriam-pahalemana afitsok’ireo dahalo. Raha mitovy ny fitaovam-piadiana ampiasaina dia tafavoaka mpandresy hatrany ny fokonolona mpanara-dia na dia mampiseho habibiana aza ny mpangalatr’omby. Rehefa misy mpitandro filaminana vitsivitsy fotsiny manampy isa ny vahoaka dia tsapa ny vokatra tsara aterak’izany. Na eo aza anefa ny ezaka dia mbola mitombo hatrany ny trangana fanafihana mitam-piadiana saika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy mihitsy. Karazan’ny tsara mpamatsy fiadiana rahateo ny dahalo ka rehefa tsy mahavoa dia miverina mitondra namana marobe sy fitaovam-piadiana harifomba kokoa.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre