Betroka – Kamiao tratra nitondra jamala 100 gony
Mitohy ny fanondranana rongony avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Afakomaly dia kamiao be iray no tratran’ny zandary nitondra jamala teo anelanelan’i Betroka sy Ihosy. Saika handositra ilay fiara fitaterana ka notifirin’ny zandary ary vaky ny kodiarana. Tafatsoaka tany anaty kirihitra ny mpamily fa ny mpanampy azy no voasambotra. Efa navoaka avokoa ireo zava-mahadomelina ary notaritina any Betroka. Mampatsiahy ilay fiara 4×4 maromaro tratra nitondra rongony avy any atsimo ity raharaha ity. Toa manaporofo fa misy toerana midadasika fambolena jamala any an-toerana ary tsy hitan’ny mpitandro filaminana izany. Saika ny ankamaroan’ny zavamahadomelina sarona eto an-drenivohitra tokoa mantsy dia avy any atsimo avokoa.
Midadasika sy be kizo iny faritra iny ka tena sarotra ho an’ny mpitandro filaminana ny hidina ifotony hijery ny toerana fambolena. Misy mpandraharaha goavana rahateo amin’ity sehatry ny rongony ity matoa mahavita manofa fiara 4×4 sy kamiao ireo mpanao izany. Heverina fa miantehitra amin’ny herin’ny kolikoly ireo mlpitatitra matoa sahy mitondra ankalalahana itony zavamahadomelona voararan’ny lalàna itony. Misy mpiaro ihany koa rehefa voasambotra ka matetika dia tsy hita izay iafaran’ny trafika mamohehitra toy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







