Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Lanja miakatra ny saran-dalana

Araka ny resaka ombieny ombieny nataon’ny mpitatitra dia io fa hiroso amin’ny fanondrontana saran-dalana indray izy ireo. Hisondrotra Ar 100 izany hoe 25% ny saram-pitateran’ny taksibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy nifampierana tamin’ny mpanjifa io fa fanapahan-kevitra samy irerin’ny tompon’ny fiara sy ny kaoperativa. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy misy hadisoan’ny mpitatitra velively satria mpampiasa vola izy ireo ary mitady tombony hanatsarany ny fiainany sy ny sehatr’asa misy azy. Ny solika rahateo tsy mitsaha-miaka-bidy nefa mitazam-potsiny ny Fanjakana. Lojika raha hampiakatra ny saran-dalana ny mpitatitra satria lasa mihena ny vola miditra amin’izy ireo isan’andro. Sehatra tsy miankina rahateo no misy azy ary zony tanteraka ny mamaritra  ny vidin’ny tolotra homeny ny mpanjifa.

Tsy tokony ho hadinoin’ny mpitatitra kosa anefa fa misy lalàna mifehy ny fitaterana ary tsy manaja izany izy ireo. Misy taksibe tena tsy mendrika ny hiasa intsony mihitsy nefa misarongatra be ny kaoperativa rehefa hampakatra ny saran-dalana. Ireo zotra rehetra mpankeny Ankatso toy ny 160, 166, sy ny 119 izao dia tena mampiteny ny moana ny haratsiny. Seza rovitra sy tsy zarizary, ary matetika dia tapaka kesika kely no ipetrahan’ny olona. Ny fiara mikorontana toy ny hiparitaka ary betsaka no sase plastika no solon’ny fitaratra. Misy ihany koa ireo mipitika ho azy eny an-dalana ny varavaran-kely. Ny taingim-be sy ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra moa tsy resahina intsony. Tsy rariny kosa raha ireny fiara efa rotika be ireny no handoavana sarany Ar 500. Raha ireo amin’ny kaopertiva Tselatra toy ny 146 sy 147 izay sprintera mbola tsara tarehy sy mijoro tsara ary mandeha lavitra be no mampiakatra saran-dalana dia azo leferina ihany satria hita fa misy ezaka avy amin’ny kaoperativa sy ny tompon’ny fiara mba hanatsarana ny tolotra. Toy izany ihany koa ireo zotra manodidina an’Antananarivo toy ireo kaoperativa eny Ambohimangakely izay sady manana fiara tsara no lavitra be ny toerana alehany.

Ny tena olana amin’ity fanondrotana saran-dalana ity mantsy dia tsy mitana hatrany ny fikambanamben’ireo kaoperativa amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asan’izy ireo. Maro ny mpandeha no vonona handoa saran-dalana lafolafo fa mba mitaky kalitao tsaratsara mifanaraka amin’izany ihany koa. Lazaina fa tsy misy ny tapa-dalana nefa ny ankamaroan’ny fiara rehefa hariva tsy misy tonga any amin’ny toeram-piantsonana fa mihodina eny an-dalana. Ny tena mahagaga dia ireo kaoperativa manana fiara tsizarizary no manao izany. Ireo mbola mampiasa fiara Mazda toy ny 166, 160, 119, 127, 139, 153….no tena bevava sy miady ny hanondrotana saran-dalana nefa izy ireo no tena tsy manara-dalàna. Raha tena matihanina ny Uctu dia tokony mandray andraikitra manao sivana mivantana izay fiara tsy tokony hiasa intsony satria manaratsy endrika ny tontolon’ny fitaterana izy ireny. Maninona ny kaoperativa sasany mahavita manatsara ny fiara ao aminy nefa ny hafa tsy mahavita. Ny saran-dalana anefa mitovy ihany ary ny tena mahagaga dia ireo akaiky kely no tena mitsipozipozy. Na inona na inona fanazavana dia misy tsy fahaiza-mitantana matoa misy kaoperativa milaza ho matiantoka ka mitaky fanondrotana ny saran-dalana ho Ar 500 nefa tsy mahavita mikarakara ny fiaran’izy ireo akory.

Ny tena olana dia ny mpitatitra sy ny mpandeha hatrany no mitady hifandona nefa ny tsy fahombiazan’ny mpitondra Fanjakana no anton’izao fisondrotan’ny saran-dalana izao. Tsy hain’ny Fanjakana ny mitana ny vidin-tsolika ho ambany satria tsy avelan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena handray andraikitra. Ireo mpitondra rehetra nifandimby teto anefa dia nahavita nijoro sy nanao izay fahefany rehetra nitazomana ny vidin-tsolika ho zakan’ny rehetra.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre