Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambohitsoa – Miverina indray ny daroka bois rond

Miverina indray ny herisetra amin’ny alalan’ny fidarohana bois rond eto an-drenivohitra. Tsy resa-be sy honoho intsony fa efa maro ireo nitondra faisana. Ankoatra ilay tovovavy maty nisy nively teny Anosibe dia ramatoa iray indray no naratra mafy voadaroka teny Ambohitsoa. Andeha hiasa maraina izy no nisy lehilahy nanaraka avy aoriana ary tonga dia nively azy in-telo tamin’ny hazobe. Tsy naka na inona na inona na nanendaka ilay mpamono fa lasa rehefa nihevitra fa maty ilay ramatoa. Ity farany kosa dia naratra mafy ary nentin’ny fianakaviany teny amin’ny hopitaly.

Mbola tsy nisy tratra ireo mpively bois rond saingy ny azo antoka dia tena misy sokajin’olona mampihorohoro sy manao herisetra eto an-drenivohitra. Tsy fantatra na marary saina izy ireny na mpanakorontana tsotra izao saingy tena mamono olona mahafaty sy mandratra mafy mihitsy. Iaraha-mahita rahateo fa tsy ahitana mpitandro filaminana mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina rehefa hadiva haraina iny ka amin’io fotoana io no tena ivoahan’ireo olon-dratsy. Ankoatra izany dia hita fa marobe ireo adala mahery setra mivezivezy an-kalalahana eto an-drenivohitra, indindra amin’ny toerana be olona sy fandalovan’ny mpianatra. Mitazam-potsiny sy mihomehy ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andriakim-panjakana rehefa mahita azy ireny fa tsy mba mandray fepetra hisorohana ny mety hisian’ny herisetra. Ankoatra ny daroka tampoka mety hataon’ireny adala romotra ireny mantsy dia ahiana ihany koa ny hisian’ny fitsaram-bahoaka rehefa tena tofoka ny ankamaroan’ny olona.

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre