Ivandry – Nanimba fiaran’olona indray ny skotera
Nanondrana indray ny skotera omaly ary nanimba fananan’olona mihitsy. Nodomin’ilay skotera mafy avy any aoriana mantsy ny fiara 4×4 iray teny Ivandry. Tsy vitan’izany fa mafy loatra ny dona ka nifatratra tany amin’ny fitaratra aorian’ilay zavatr’olona ilay mpitaingina moto ka vaky mihitsy ilay fitaratra. Toy ny mahazatra dia tsy nanaiky diso ilay mpitondra skotera ary nilaza fa nijanona tampoka ilay fiara teo alohany. Ny tompon’ilay fiara kosa nanamarika fa nandeha mafy ilay moto kely ka tsy tafajanona noho ny haratsin’ny hisatra. Ho an’ireo nanatri-maso dia tena diso ilay nitondra skotera satria niantehitra be fahatany tamin’ny hafainganam-pandehan’ilay fiara teo aloha fotsiny. Tsy nanana ny fihetsika ilaina hisorohana ny loza ihany koa ka tonga dia nifatratra tany amin’ilay teo aloha avy hatrany. Tena loza mananontanona ny fiarahamonina mihitsy ireny skotera ireny satria tsy te hahalala izay fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana izany. Rehefa malalaka kely na arabe io na fandehanan’ny mpandeha an-tongotra dia isisihan’izy ireo avokoa. An-jatony ny olona niampita ka nomen’ny fiara lalana no efa nofaohin’ny skotera. Anjatony ihany koa anefa ireo efa namoy ny ainy sy naratra mafy ary nitondra takaitra tamin’ity fitaovam-pitaterana kodiaran-droa tsy manara-penitra ity saingy tsy mety fay ireo mpankafia azy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







