Imerintsiatosika – Mpamosavy iray voasambotry ny fokonolona
Ankoatra ny fahatahorana mpanendaka sy olon-dratsy isan-karazany dia anisan’ny tahotr’ireo tratra alina koa ny ho sendran’ny mpamosavy, indrindra fa amin’ny toerana mangina sy tsy misy olona. Tato ho ato mantsy dia nihamaro anisa ireo olona voasaviky ny mpamosavy teto an-drenivohitra, ary ny ankamaroan’izy ireo dia saika namoy ny ainy avokoa. Omaly dia vavy antitra iray, voalaza fa mpamosavy no nifanenjehan’ny fokonolona teny Imerintsiatosika. Araka ny loharanom-baovao dia efa tamin’ny talata lasa teo ity farany no efa voasambotra rehefa avy nitaingina olona roa ka ny iray namoy ny ainy avy hatrany ary ilay tovolahy vao 17 taona monja kosa dia mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao. Mbola nahita hirika itsoahana ihany anefa ilay ramatoa ka dia potraka teo am-pelantanan’ireo nihazona azy. Omaly antoandro kosa vao tena tra-tehaka ilay mpamosavy rehefa tsy nahita lalan-kombana intsony. Ny fokonolona raha teo moa dia tonga maro ary dia nitaky ny hitondran-dramatoa be azy ireo any amin’ny fanafodiny. Araka ny nambaran’ny iray tamin’izy ireo dia mba hanasitranana ilay tovolahy mbola miady amin’ny fahafatesana no tena nikarohana ilay fanafodin’ilay voalaza fa mpamosavy. Ny nampalahelo no sady nampihomehy anefa dia nentin-dramatoa be niodinkodina ny tànana fotsiny ny fokonolona, hatreny an-tanimbary ka hatrany anaty rano ary tsy nahitana na tapa-kazo iray akory aza.
T.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







