Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

CUA – Misy misoloky maka volan’olona

Araka ny vaovao ofisialy avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) dia misy olona misoloky mitaky vola amin’ny alalan’ny filazana fa mahafantatra olona ambony eo anivon’ny lapan’ny tanàna. Mila mailo ny mponina  noho izany satria olon-dratsy ireo manao io asa io. Mamporisika ireo lasibatra hanao kolikoly saria milaza fa afaka manao fanelanelanana amin’ny antontan-taratasy tsy ara-dalàna izy ireo. Ny hafa kosa dia mampitahotra tsotra izao izay lasibatra mba hanome vola azy ireo fa raha tsy izany dia harodana ny trano fonenana na ny trano fivarotana. Sehatra maro no tena voakasik’ity asa fisolokiana ity ka ireo trano fisakafoanana sy fanaovana lanonana toy ny hotely, karaoke, fivarotan-toaka no tena lasibatra. Manome tolotra amin’ny fanamorana fikarakarana fahazoan-dalana hanokatra tsena sy hanangana trano ihany koa ireo olon-dratsy ireo. Mila andraikitra noho izany ny kaominina ho an’izay voa ary manentana ny vahoaka hitady ny taratasy fanamarinana maha mpiasan’ny CUA ho an’izay olona rehetra mitaky vola. Any amin’ny birao ihany koa no fandoavana vola ary tsy maintsy misy rosia mazava misy sonian’ny tompon’andraikitra sy  fitomboky ny kaominina.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre