Antanimena – Mirongatra ny 4’mi manendaka fiara
Fiarakely sy taxi borosy iray no nidofotra teny Antanimena ny takarivan’ny Alakamisy teo. Tao anatin’izany fotoana izany dia nihorakoraka mafy sy nitangorona nitabataba be ny andiana 4’mi izay tsy fantatra ny nipoirany. Na ny mpanadalo aza gaga satria ireo tompon’ny fiara nifandona samy tsy nisy nanitatra ny raharaha fa ireo andian-jatovolahy maloto be sy mirongo fatin’entana no tena nampiaka-peo. Nisy tamin’izy ireo no avy hatrany dia nanokatra ilay fiara kely ary nikasa ny haka zavatra tao. Tsikaritry ny manodidina io fihetsika io ka nisy ny olona no nandray andraikitra nisambotra ny roa tamin’ireo 4’mi ireo. Ny ambiny hafa kosa nanao tari-dositra ka tsy hita izay tany nalehany. Rehefa voadaroka teo ireo mpatory an-tsena dia nifona sy niaiky fa tena nanam-pikasana ny hangalatra mihitsy noho ny fahantrany. Efa nahenoana fofon-toaka sy rongony izy ireo ary heverin’ny nanatri-maso fa andian-jiolahy madinika mikasa ny hanao asa fanendahana eny amin’ny manodidina ireto tratra ireto. Rehefa voadaroka sy voaompa ireo roalahy dia navelan’ny olona handeha satria tsy nisy te handany fotoana hanatatitra azy ireny eny amin’ny mpitandro filaminana. Ny andro rahateo efa hariva ka samy efa maika ny hamonjy fodiana ny rehetra.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







