Nosy be – Vazaha namono tena tao an-tranony
Vazaha lahy iray no fantatra fa namono tena tao an-tranony ny 9 jolay lasa teo tamin’ny 8 ora alina. Manam-bady aman-janaka ary manana taratasy ara-dalàna hipetrahana eto Madagasikara ity lehilahy teratasy vahiny ity. Mpandraharaha ara-toekarena, teratany frantsay izy ary tsy mipetra-drery fa miara-monina amin’ny fianakaviany. Tsy fantatra mazava izay antony nanosika azy hanala ny ainy fa efa eo am-panatanterahana ny fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana. Natetika mihitsy tato ho ato ny ahenoana olona namono tena noho ny antony maro samihafa. Ho an’ny vahoaka madinika dia ny fahantrana sy ny fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no mahatonga ny olona mamoy fo ka misafidy ny ho tapitr’andro mialohan’ny fotoana tokony hiantsoan’ny Ray azy. Ny mpanan-karena kosa dia tsy fantatra ny antony matetika satria tsy avelan’ny fianakaviana havoaka ho fantatry ny besinimaro ny valin’ny fanadihadiana noho ny henatr’olona sy ny tokantrano tsy ahahaka.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







