Fiakaran’ny saran-dalana – Tsy hanaiky ny vahoaka, mody fanina ny mpitondra
Fanambakana sy fitsetsefana ary fanararaotana ! Ireo no andikan’ny mpanjifa ny tetika kasain’ny mpitatitra hanondrotana ny saran-dalana. Mahagaga fa nidina be ny gazoala tsy nidina ny saran-dalana nefa io niakatra kely dia hampakarina ihany koa. Manararaotra ny fahendren’ny vahoaka ireo mpitatitra ka manao izay sitrapony hoy ny mpanjifa. Efa namitaka ny mpanjifa anefa ny fikambanamben’ireo mpitatitra tamin’ny andron’ny tetezamita raha nilaza fa hampakatra saran-dalana ary hampiditra fiarabe avy any Chine. Mandrak’ity ny androany tsy nisy fiara vaovao izany na dia iray aza hita niasa teto an-drenivohitra. Manoloana izany rehetra izany dia mangingina sy tsy ahitam-pitenenana ny tompon’andraiki-panjakana izay heverina hiaro ny vahoaka. Tsy mahagaga izany satria ny ankamaroan’ireo fiara fitaterana eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia an’ny tompon’andraikitra ambony sy mpanao politika eo anivon’ny fitondrana. Tsy misy mpiahy ny vahoaka fa miady ireryn izay sahy miaro ny zony ka mampiaka-peo na izay manao hetsika tonga dia mpitandro filaminana mirongo fitaovam-piadiana no miandry azy ireo.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







