Mitsinjo – Mpitatitra naratra nodarohan’ny mpandrongony
Araka ny loharanom-baovao azo avy amin’ny mponina ao amin’ny kaominina sady distrikan’i Mitsinjo dia nisy fanakanana kamiao iray nitondra katsaka ho any Katsepy izay nataon’olona maromaro hangataka ny hiondrana anatin »io fiara fitateran’entana io . Tsy nanaiky ilay fangatahana anefa ny mpamily satria nisy mamon-drongony ireo olona ireo. Tezitra noho izany ireo mpanakana ka avy dia nikasi-tanana. Vokatr’izany dia naratra ilay mpamily noho ny daroka nahazo azy. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Namakia. Tao aorian’ny fitsaboana azon’ilay mpamily dia lasa nanohy ny diany ho any Katsepy izy sy ny fiarany ary nosokafana ny fanadihadiana hitadiavana ireo mpanao herisetra. Tsy nandroba ireo mpanafika ary tsy nisy vola na entana very. Matetika dia mizaka ny tsy eran’ny ainy hatrany ny mpamily izay mandeha irery any ankebakeban-tany any.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







