Betafo – Laharam-pahamehan’ireo ben’ny tanàna ny fahsalamana
Handray anjara betsaka amin’ny fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka ireo kaominina miisa valo ao amin’ny distrikan’i Betafo. Fantatra izany nandritra ny fiofanana miaro tomban’ezaka mikasika ny tetikasa vatsin’Ankohonana izay natao tany an-toerana tamin’ity herinandro ity. Zava-dehibe ao amin’ity tetikasan’ny filoham-pirenena ity ny fitsinjovana ny reny sy ny zaza indrindra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Andraikitr’ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ny fanentanana ny vahoaka indrindra ny renim-pianakaviana mba hitandro sy hanaraka ny fepetra rehetra ilaina ho an’ny fahasalaman’ny isan-tokantrano. Anisan’izany ny resaka fahadioavana sy ny fanovanovana ny karazan-tsakafo ho hanina ary ny fanaovana vakisiny ny ankizy. Ny distrikan’i Betafo dia anisan’ny voalohany nahazo tombon-dahiny tamin’ny tetikasa vatsin’ankohonana izay natolotry ny filoham-pirenena ary iaraha-manatanteraka amin’ny minisitera vitsivitsy toy ny an’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, ary ihany koa ny fanabeazam-pirenena. Tanjona amin’izany ny hitondra vahaolana ho an’ny tokantrano tena sahirana mba sady ho afaka hivelona ara-dalàna no hampiana-janaka ary hahazo voka-tsoa amin’izany. Misy famatsiam-bola manokana ho an’ireo tokantrano misitraka io tetikasa io.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







