Ambato Boeny – Zandary 2 sy sivily 2 matin’ny dahalo
Tsy mitsitsy mihitsy ny dahalo any Ambato Boeny ary tena manampatra ny habibiany tanteraka. Zandary amperin’asa miisa 2 sy sivily 2 no matin’izy ireo vao haingana. Ny tena nahagaga dia antsy sy lefona no tena fitaovam-piadiana ampiasain’ireo olon-dratsy nefa dia izao mahavita maharesy vahoaka sy mpitandro filaminana izao. Raha ny tatitry ny zandary anefa dia miisa 6 na 8 eo fotsiny ireo dahalo ireo. Tao Bekisoa Antsohihy be no raikitra ny fifandonana ka maty voatifitra teo amin’ny fony ny iray tamin’ireo zandary dia ary norasarasaina ny antsy ihany koa ny lohany sy ny tanany havia ary ny ranjony. Karazan’ny efa lavon’ny dian’antsy ilay mpitandro filaminana vao nofaranana tamin’ny tifitra ny ainy. Ilay zandary iray hafa kosa dia tsy notifirina mihitsy fa novonoina ho faty tamin’ny antsy satria nahitana ratra ny lohany sy ny tongony. Ankoatra ireo dia lehilahy miisa 2 avy amin’ny fokonolona ihany koa no maty voarasarasan’ny antsy. Ny tena nahagaga dia mbola hita tao anaty sakaosin’ilay zandary ny tranom-bala misy bala 25 fa tsy nalain’ireo olon-dratsy. Tena hita fa fihantsiana tsotra izao ity loza nitranga ity ary asehon’ireo dahalo fa tsy matahotra ny mpitandro filaminana izy ireo. Tato ho ato dia mateti-pitranga ny famonoana zandary toy izao. Rehefa mahafaty ireo jiolahy dia tsy manendaka na maka ny fitaovam-piadian’ireo mpitandro filaminana fa lasa fotsiny.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







