Iza izany no mpandainga ?
Nahagaga ny tenin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny sabotsy teo raha nanao antso avo hoe “aza mandainga”. Tsy nofaritany mazava izay tiany hiantefan’io teniny io satria somary nafangarony tao anaty kitapo iray ny mpitondra Fanjakana sy ny mpanao gazety ary ny mpanao politika. Mahagaga satria tsy sokajin’olona mitovy ireo resahiny ireo. Ny mpanao gazety mantsy dia mitatitra ny vaovao misy ho fantatry ny vahoaka fotsiny ihany. Ny mpitondra Fanjakana kosa dia karamaina amin’ny volam-bahoaka ka tsy manana tamberin’andraikitra tsy maintsy miasa ho fanasoavana ny firenena. Ny mpanao politika indray, mandinika ny raharaham-pirenena ka maneho hevitra sy tsikera mba hahafahana manarina izay tsy mety eo amin’ny fomba fitantanana.
Iza izany ilay lazaina fa mpandainga. Ny mpanao gazety ve ? sa ny mpitondra ? sa ny mpanao politika ? sa izy 3 tonta ? Tokony mba nohitsiany mazava izay heveriny ho mpandainga mba ho fantatry ny besinimaro.
Ny tena olana amin’ny resaka toy izao mantsy dia na ilay heverina ho mpandainga aza tsy mahalala izany akory rehefa tsy notenenina mivantana. Ny mpitondra Fanjakana izao, izay mitana ny fahefana eo ampelatanany dia tsy hihevitra ny tenany ho mpandainga na oviana na oviana. Dia ny mpanao gazety ve izany no lazaina ho mpandainga rehefa mitatitra ny vaovao marina saingy tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny manam-pahefana. Ohatra, iray mivantana mahakasika izany ny zava-misy amin’ny fiainam-bahoaka. Ny ankamaroan’ny isan-tokantrano dia mitaraina fa miha mahantra ary tsy hita soritra mihitsy izay asa fampandrosoana nampanantenain’ny mpitondra. Ireto farany anefa isaky ny mikabary dia manitrikitrika ny mifanohitra amin’izany. Lazain’ny mpitondra fa efa tena miroso i Madagasikara ary hita soritra eny amin’ny fiainam-bahoaka ny ezaka vitan’ny Fanjakana. Dia izay izany no lazaina fa mpandainga ? ny mpanao gazety milaza ny zava-misy iainan’ny vahoaka ve sa ny mpitondra izay tsy mahalala akory ny tena fahasahiranan’ny malagasy ?
Tsara ampahafantarina ireo manam-pahefana migalabona any anaty trano tsara tarehy sy fiara vaovao izay novidiana na nofaina tamin’ny volam-bahoaka ireo fa hiakatra Ar 500 izao ny saran’ny fitateram-bahoaka amin’ny herinandro izao. Tsy lainga izany fa tena zava-misy marina ary maro ireo efa mivonona ny handeha an-tongotra. Misy risika anefa io dia an-tongotra io satria be mpanendaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary mihatara vao tafody. Tsy lainga izany fa tena marina. Raha tsy mino ireo manam-pahefana dia mila midina mandeha an-tongotra miaraka amin’ny valizy sy ny firavaka volamenan-dry zareo dia hahita fa misy tokoa ny tsy fandriam-pahalemana eto.
Ny tena olana eto amintsika dia lazaina fa mpandainga avokoa izay olona mitatitra vaovao hafa ankoatra ny navoakan’ny vavan’ny mpitondra Fanjakana. Matetika anefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ny tenin’ny manam-pahefana. Niteny ny filoha tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fa ho foana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy raha izy no lany eo. Rehefa nandray ny fahefana tokao izy dia nampanantena fa mialohan’ny faran’ny taona 2014 dia tsy hisy intsony ny delestazy. Tamin’ity taona 2016 ity anefa izy dia mbola niteny indray fa efa tsy misy intsony io delestazy io. Gaga anefa ny rehetra fa misy foana ny delestazy ary mahita fanazavana hatrany ny Jirama sy ny tompon’andraikitra hafa voakasiky ny famatsiana herin’aratra. Dia rehefa miteny ve izany ny mpanao gazety hoe tsy foana akory ny delestazy dia lazaina fa mpandainga ? Dia henjehina sy hogadraina satria efa tsy fanaovan-gazety intsony no nosoratana fa fanalam-baraka ny tompon’andraiki-panjakana ? sarotra moa ny hiady hevitra amin’ny olona be fahefana satria eo an-tanany ny Fanjakana sy ny hery ka izay lazainy dia tsy maintsy atao marina avokoa !
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







