Beroroha – Nodoran’ny dahalo ny trano , zaza roa voatifitra
Manampatra ny heriny sy manjakazaka tanteraka ny dahalo any Beroroha. Tranga farany niseho tany ny fanafihana tanàna izay nataon’ny jiolahy marobe. Raha ny fiheveran’ny maro dia tsy halatr’omby tsotra no nitranga fa tena fikasana hanao valifaty fotsiny. Tsy naka na inona na inona mantsy ireo dahalo fa nopotehiny fotsiny ny fananan’ilay olona saika hotafihiny. Ny 15 jolay 2016 tamin’ny 08 ora alina dia notafihin’izy ireo ny fokontany Tanambao, kaominina sy distrikan’i Beroroha. Rehefa tsy tratra tao ny olon-dehibe dia nodoran’izy ireo ny trano ary narahiny tifitifitra ny manodidina azy ireo. Vokatr’izany, zaza roa samy 15 taona no naratra, izay samy voatifitra teo amin’ny tanany. Nandefa zandary ny toby ao Bemavo sy ny borigadin’i Beroroha niampy ny fokonolona any an-toerana manao ny fanarahan-dia. Raha ny vaovao farany voaray dia tsy mbola nisy tratra ireo mpanafika.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







