Vous êtes ici :

Samedi 31 Janvier 2026

ombre

Madirovalo – Asa tana-maro nahavitana tanimbary mirefy 300 ha

Mahavita zavatra sy fotodrafitrasa goavana ny vahoaka eny ifotony rehefa miezaka. Anisan’izany ry zareo any Madirovalo satria noho ny herin-tsandrin’ny fokonolona dia voavadika ho tanimbary ny honahona mirefy 300ha. Ny solombavam-bahoaka tany an-toerana no nanampy ara-bola sy ara-pitaovana nahafahan’ny vahoaka eny ifotony nanao izany. Marihina fa efa tao anatin’ny 21 taona no tsy azo nampiasaina io toerana io satria dibo-drano ka lasa honahona. Tanimbary ihany anefa izy io taloha ary hitan’ny vahoaka fa tsara raha averina azo ampiasaina indray mba hampakarana ny vokatra any an-toerana. Lakan-drano mirefy 2 kilaometatra latsaka kely no natao dia niverina tamin’ny laoniny ilay tanimbary. Malaza ho anisan’ny mazoto sy tia mamboly ny mponina ao Madirovalo saingy mila tosika kely avy amin’ny manam-pahefana mba hanatsaran’izy ireo ny vokatra any aminy. Tsy ilay resaka biby any anaty honahona feno bararata araka ny hiran’i Mahaleo fotsiny no ahafantarana an’i Madirovalo fa ny fahavitrihan’ny mponina miasa ihany koa.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre