Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Taolagnaro – Otaria iray voafandriky ny torapasika

Nahitana oraria mbola vatombatony iray teny amin’ny torapasik’i Libanona any Taolagnaro. Nosamborin’ny fokonolona izy io ary nozahana ara-pahasalamana maimaika ary hita fa tena mbola natanjaka tsara. Milanja any amin’ny 30 kilao any ho any ity bibin-dranomasina ity. Tsy hitan’ny olona izay nanaovana azy ary naka fanapahan-kevitra ny tompon’andraikitra fa averina any anaty rano izy. Amin’ny ankapobeny, tsy fahita firy aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ny otaria sy ny biby mitovitovy aminy. Na izany aza anefa dia misy ihany indraindray ny maningana ka mandalo aty amintsika. Tsy vao izao fa efa nisy taona maromaro lasa izay no nahitana otaria tany amin’iny ranomasina manakaiky an’i Taolagnaro iny. Voasambotry ny mpanjono ilay biby ka nomena ny manam-pahefana. Nandray fepetra ireo manam-pahaizana sy tompon’andraikitra  momba ny biby sy ny tompon’andraikitry ny jono tamin’izany fotoana izany  fa hompiana ao anaty dobo fiompiana trondro ilay otaria mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra hanaovana azy. Nahagaga nefa fa nisy nangalatra tao io biby io ary tsy hita izay nisy azy hatramin’izao. Toy ny mahazatra dia nosokafana ny fanadihadiana saingy tsy hita izay valiny. Inoana fa ny tranga toy izany no nahatonga ny tompon’andraikitra ao Taolagnaro namerina avy hatrany ilay otaria hita vao haingana ho any anaty ranomasina. Ny otaria moa dia karazam-biby mampinono mivelona any anaty ranomasina. Matsokotsoko vava toy ny alika izy ary misy volom-bava.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre