Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Vohemar – Rangahy lehibe iray matin’ny haintrano

Tsy avotra fa matin’ny afo tao an-tranony ny lehilahy lehibe iray, tany Tanambao Vohemar. Ny sabotsy alina teo no nitrangan’io loza mahatsiravina io ka tsy fantatra mihitsy izay tena niavian’ny hafo. Nisy zazalahy kely 8 taona ihany koa may sy naratra tamin’io loza io saingy tsy voatohina ny ainy. Efa naiditra hopitaly izy ary manaraka fitsaboana hatramin’ny omaly. Anisan’ny tena tsy nahafahana nanavotra ilay namoy ny ainy ny tsy fisian’ny sampana mpamonjy voina sy mpamono afo any an-toerana. Mba nanao izay hoafany ihany ny vahoaka nifehy ny afo mba tsy hiparitaka ka hampihena ny fahavoazana saingy tsy ampy fitaovana ka izay kely vita no natao.

Tena fotoanan’ny haintrano mihitsy izao volana jolay izao satria sady maina nefa mandrivotra be ary tsy mora ny mifehy ny fahamaizana. Matetika dia vokatry ny tsy fitandremana hatrany no mahatonga ny loza toy izao manerana an’i Madagasikara satria afon-tsaribao sy kitay ary jiro labozia na solitany tsy voafehy no mahatonga ireny. Ny ankamaroan’ny trano eto Madagasikara rahateo dia tsy manara-penitra satria hazo sy zavamaniry no tena akora fototra ka vao misy fahamaizana kely dia mihitatra be sarotra fehezina. Efa manao fanentanana ihany ny tompon’andraikitra misahana ny faharavana ateraky ny loza voajanahary saingy tsy te hahalala izany ny ankamaroan’ny olona izay malain-kisahirana hitandrina sy hanova fomba fampiasa jiro sy arina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre