Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsarahonenana – Mirongatra ny vaky fisoko

Mirongatra be indray ny halatra akoho amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hala-botry fotsiny fa tena miditra amin’ny vaky tranon’akoho mihitsy ireo jiolahy. Tamin’iny herinandro iny teny Tsarahonenana dia olona mpampiady akoho no voatafika. Lasa tamin’izany ny akoho miisa 4 amin’ilay tena tsara karazana sy lafo vidy ireny. Vato-dahy 3 sy vavy iray ireo lasan’ny mpangalatra ireo. Maherin’ny iray tapitrisa Ariary ny tena vidiny satria ifampitadiavana ny akoho tsara karazany toy ireo hoy ny tompony izay latsa-dranomaso mihitsy nitantara. Raha ny fantatra dia mbola nihidy tsara mihitsy ny tranon’akoho tamin’ny 11 ora alina izay nohidian’ilay tompony rehefa avy niasa izy. Rehefa maraina anefa ny andro, akory ny hatairany raha nahita fa nibanaka ny fisoko ary na lohan’akojo iray aza tsy tao intsony.  Olona malaza ho manana akoho mpiady tsara ity voatafika ity ka heverin’ny namany ho efa nisy nanara-maso hatramin’ny ela ilay tanàna mba hakana ireo biby fiompy. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa tena lasa lavitra ny resaka fiompiana sy fampiadiana akoho tsara karazana eto Madagasikara. Mahatratra hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary ny vidin’ny akoho iray ary misy mahavita manafatra any ivelany toy ny any Thailande sy La Réunion ary Maurice mihitsy ireo mpiompy. Ao amin’ny facebook dia misy pejy manokana ho an’ny mpankafia adin’akoho ary tsy latsaka ny iray hetsy Ariary ny vidin’ny akoho mora indrindra amidy ao. Efa misy federasiona kely mihitsy ny adin’akoho ary misy ny fifaninanam-pirenena atao amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre