Mandrimandry manana aretina
Misy laharam-pahamehana ankalazana be dia avy eo tsy vita akory ary toa iniana adinoina sy tsy resahina indray eto Madagasikara. Anisan’izany ny fampihavanam-pirenena izay tena nankalilo sofina tamin’ny taona 2014. Tena nataon’ny fitondrana vaindohan-draharaha izy io ary nandaniana vola sy fotoana naharitra na dia teo aza ny tsikeran’ny mpanenjika. Vitan’ity fitondram-panjakana mijoro ity ny nampihaona matetika manodidina ny latabatra boribory ireo filoha 5 mirahalahy noheverina fa ho to teny amin’ny famahana ny takaitra sy lonilony navelan’ireo krizy eto Madagasikara. Tsy nandaitra anefa izany satria samy mbola tsy maty voalavo an-kibo sy tsy vonona ny hifamela ireo mpifanandrina na dia nampiseho fahavononana hifandray tanana aza. Mora ho an’ny mpitazana ny nanome tsiny ireo tsy nanaiky mihitsy nefa rehefa tena dinihina dia sarotra izany hamela ny heloky ny hafa natao tamin’ny tena izany. Mbola hita fa tsy sitrana ny ferin’ny fifankahalana ao am-pon’ireo filoha 5 mirahalahy nifandimby sy nifamingana ary nifandrodana.
Rehefa tsy nahomby io fihaonan’ny samy andrarezina io dia niditra indray tamin’ny fampifanatrehana ireo heverina fa nanatanteraka sy niharan’ny krizy nifandimby ny fitondram-panjakana. Betsaka ny atrikasam-paritra nokarakaraina momba izany ary dia samy nitanisa teo anatrehan’ny mpifanandrina taminy ireo noheverina fa solontenan’ny lasibatry ny krizy. Nofaranana tamin’ny fihaonam-be nasionaly mihitsy izy io ka tamin’izany no nandrafetana sy namoahana fehin-kevitra hotanterahina mba hamaranana tanteraka ny takaitran’ny krizy nifandimby ary hanatanterahana ny fihavanam-pirenena tena izy. Nivalona ihany anefa ny herin-taona aty aoriana fa tsy hita izay fampiharana ireo fehin-kevitra rehetra tao.
Odian’ny fitondram-panjakana tsy tsaroana ny antontan-taratasy nosoniaviny niaraka tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny fihaonam-be nasionalin’ny fampihavanam-pirenena. Nisongadina tamin’izany ny fanafoanana ny andrim-panjakana rehetra ankoatra ny fiadidiana ny Repoblika. Ny Governemanta irery no nosoloina satria efa nambaran’ny Filoha mazava tamin’ny fandaharana iray nandeha mivantana tamin’ny Tvm sy Ibc fa misy olona tsy mifanaraka aminy intsony ao anaty ao. Niandry ihany ireo nanatrika ny fampihavanam-pirenena fa mandraka ny androany dia tsy nisy andrim-panjakana hafa noravana intsony. Rehefa tena dinihina anefa dia toa tsara ihany ny hanatanterahana ilay fandravana satria misy tsy mahasolo tena ny vahoaka intsony ireo olom-boafidy. Voakasika mivantana amin’izany ny ankamaroan’ny solombavambahoaka izay nivadika tamin’ny antoko nandrotsaka azy sy nivadika tamin’ny teny nomeny.
Voalohany amin’ireny ireo milaza ho tsy miankina nefa rehefa nahazo seza dia hita ho lasa sakaizan’ny mpandresy ka mitongilana amin’izay mahery sy ahitana tombontsoa. Roa taona mahery izao no niasan’ny Antenimieram-pirenena nefa tsy nisy volavolan-dalàna, na iray aza, avy amin’ny Governemanta ka tsy lany teny. Miafinafina ao ambadik’ilay maro an’isa miovaova ireo parlemantera ka lalaovin’ny fahefana mpanatanteraka. Tsy misy izay maha-solombavambahoaka azy ireo intsony fa lasa solombavan’ny mpitondra Fanjakana. Manaporofo izany ny tsy fihainoana ny fitakian’ny mpanao gazety farany teo. Raha tena solombavambahoaka ireo ao Tsimbazaza ireo dia nihaino sy nanatanteraka ny tenin’ny mpanao gazety sy ny vahoaka ka tsy nandany ilay lalàna mifehy ny fifandraisana. Tsy izany anefa no nitranga fa vao mainka izy ireo nihazakazaka nanangan-tanana hampandany ilay izy. Eo ihany koa ilay ady tany eo amin’ny vahoaka sy ny sinoa any Soamahamanina izay tsy mba andrenesana mihitsy ny firaisankinan’ny solombavambahoaka mba hiaro ny tombontsoan’ny malagasy.
Ankoatra izany dia marobe ireo depiote efa nivadika ka tsy mahasolo tena ny antoko politika nirotsahany sy ny vahoaka nifidy azy intsony. Na tiana na tsy tiana mantsy dia antoko sy tsangan-kevitra no nofidian’ny malagasy fa tsy tsangan’olona. Ireo depiote nivadika sy niala tamin’ny antokony izany dia tsy eken’ny mpifidy intsony satria lasa nirona any amin’ny firehan-kevitra hafa. Tsara ihany ary mety ho vahaolana ho an’izao tsy fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny firenena izao ny fandravana ny Antenimieram-pirenena.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







