Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Sahaniniky – Matin’ny fokonolona ilay lehilahy mpangalatra omby

Omby iray monja no nangalarin’ny dahalo nandeha irery tany Sahaniniky ka namoizany ny ainy. Nanafika tao amin’ilay tompon’omby izy ary lasany ilay biby. Tsy natahotra fa nisarongatra avy hatrany ny fokonolona ary nanao ny fanarahan-dia vao nandre fa dahalo iray monja no nanao ny fanafihana. Tratra tokoa ilay mpangalatra ary nisy ny fifandonana. Nandritra izany no nitifiran’ny fokonolona azy ka nahatapitra ny ainy.

Noporofoin’ny mpiray tanàna tamin’ity tranga ity fa mahita vokatra tsara rehefa miray hina. Tafaverina amin’ ny tompony ilay omby very ary efa manokatra fanadihadiana mikasika izay tena zava-nitranga ny zandary any an-toerana. Mirongatra tanteraka ny halatr’omby amin’izao fotoana izao ary tsy mifidy hotafihina intsony ireo olon-dratsy fa na dia omby tokana am-pahitra aza dia alain’izy ireo ihany. Efa manomboka mametraka ny fiarovan-tena iombonana ihany koa anefa ny fokonolona ka matetika dia mahazo vokara tsara rehefa manao ny fanarahan-dia.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre