Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Grenady nipoaka teny Mahamasina – Misy sinoa roa voarohirohy

Misy lehilahy sinoa miisa roa voarohirohy tamin’ilay fanapoahana grenady nahafatesana tovolahy roa sy zazalahy iray teny Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona lasa teo. Tafiditra tamin’ireo olona miisa 10 nosamborina noho ny fivarotana vanja sy kapisily fanapoahana dinamita izay voasambotra ny 11 jolay lasa teo izy ireo. Raha ny tena marina dia tompon’andraikitr’ilay orinasa nivoahan’ny vanja antsokosoko ireo aziatika ireo ka izay no naha voarohirohy azy. Tsiahivina fa niainga tamin’ny fikarohana lehilahy iray mpanao varo-maizina vanja ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tao

an-tranony niaraka tamin’ny vanja (nitrate) sy kapisily fanapoahana dinamita izay fampiasa amin’ny famakiana vato eny amin’ny kariera izy. Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia fantatra ny toerana nivoahan’ireo vanja ka nosamborina hatramin’ny tompon’andraikitra tao.

Raha ny filazan’ny manam-pahaizana ao amin’ny polisy mantsy dia tena ampy handrafetana fitaovana fanamboarana baomba vita gasy mihitsy ireo vanja ireo. Efa naiditra eny am-ponja vonjy maika ireo voasambotra ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy mpanao politika na olona ambony voarohirohy mivantana amin’ity raharaha ity na dia efa nandeha be aza ny fanendrikendrehana sy ny fifanondroan’ny tsy mitovy firehana. Efa maromaro ihany koa ny olona nalaina am-bavany sy nosavaina trano saingy tsy nahitana porofo hahafahana mitazona azy ireny.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre