Vaky fasana – Amidy 12 tapitrisa ariary ny taolam-paty 6 gony
Midangana be ny vidin’ny taolam-paty ka izany no mahatonga ny jiolahy hitodika amin’io asa ratsy iray io. Mitentina 12 tapitrisa ariary mantsy ny taolan-dava 6 gony izany hoe 2 tapitrisa ariary isaka ny gony. Io no nohazavain’ny zandarin’Ambohimangakely izay nahatratra mpitondra taolam-paty teny an-toerana ny 15 jolay lasa teo. Tena avo lenta ity tambazotra iray ity ary mitondra fitaovam-piadiana toy ny basy sy vy famakiana fasana mihitsy. Olona miisa 7 ka vehivavy ny iray izy ireo ary tratra ambodiomby teo ampamakiana fasana. Tato ho ato dia saika mitodika betsaka amin’ireo tanàna eny Avaradrano sy ny manodidina ireo mpamaky fasana. Maro fianakaviana manan-katao sy taranak’andriana mantsy iny faritra iny ka ankoatra ny taolana dia mandroba ireo zava-tsarobidy ampiarahana amin’ny maty ihany koa ireo olon-dratsy. Anisan’ny tena lasibatra ny manodidina an’i Talatavolonondry sy Ambohidrabiby ary ny eny Ambohimalaza.
Vao tamin’ny herinandro ihany koa no nahitana taolam-paty roa kitapo tany Antanifotsy. Tsy hita izay nitondra azy fa karazan’ny narian’ireo olon-dratsy teny an-toerana fotsiny ny taolana fa tsy nisy mpandray. Efa narahi-maso avokoa ny fasana teny amin’ny manodidina fa tsy nisy vaky ary tsy nisy ihany koa ny fianakaviana nametraka fitarainana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







