Ivato – Sokatra 260 saron’ny polisy
Zana-tsokatra miisa 206 saika haondrana any Azia no saron’ny polisy miaro ny habakabaka sy ny sisintany teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato omaly maraina. Natao tao anaty valizy roa ireo biby sarobidy tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ireo ary saika halefa tamin’ny fiaramanidina Kenya airways. Hitan’ny scanner anefa rehefa nandalo fitiliana ka notaomina avy hatrany. Nitsoaka kosa ilay olona saika hitondra ireo valizy nisy sokatra ireo rehefa nifampitadiavana. Efa fantatra ny mombamomba azy hatramin’ny tarehiny ary azo sary tamin’ny « video suveillance » izy. Mitohy ny fikarohana ary nilaza tsy hamela mora ity raharaha ity ny mpitandro filaminana. Ireo sokatra kosa dia nankinina tamin’ny sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana sy ny ala mandra-pamerenana azy ireo indray any amin’ny toerana natoraly fonenany. Tao anatin’ny iray volana mahery dia in-telo sahady no nahatrarana fikasana hanondrana sokatra antsokosoko. Ny roa teny ivato ary ny iray kosa teny amin’ny faritra iva. Ireo mpitondra ihany, izay inoana fa mpiasa madinika mpikarama fotsiny no tena voasambotra sy midoboka any am-ponja fa ny tena atidoha sy mpampiasa vola tsy voatohintohina mihitsy. Mety efa tafiakatra an-jatony tapitrisa ariary maromaro anefa ny vola mihodina amin’ny fanondranana sokatra antsokosoko toy izao. Vitsy ireo tratra saingy inoana fa marobe ireo tafaporitsaka mitondra sokatra mivoaka an’i Madagasikara.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







