Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Firenena idirana-doza !

Akaiky ny farany satria mitranga eto Madagasikara avokoa ny karazana loza rehetra hoy ireo mpitarika fiangonana zandriny te hanangona olona betsaka ao amin’ny fivavahana ataony. Ihomehezan’ny sasany io fomba fandresen-dahatra iray io nefa tena misy ampahany betsaka marina mihitsy rehefa tena jerena akaiky. Eo amin’ilay hoe : « mitranga avokoa ny loza rehetra » no marina tsy iadian-kevitra satria tena zava-misy iainan’ny malagasy andavanandro. Ny hoe : «  ny farany akaiky » kosa dia samy manana ny fomba fijeriny satria ny sekta mihevitra fa ny fara andro no tiany holazaina. Ny mpanao politika kosa mahita fa ny faran’ny fotoam-pitondrana no manakaiky. Ataon’ny mpanao politika fitaovana hanaingana ny vahoaka hitroatra ary tsy hanaiky intsony ny hijanonan’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny Fanjakana mantsy ny loza rehetra mitranga amin’izao fotoana izao. Raha ny lojika tokoa no jerena fa tsy ampidirana finoana ny adihevitra dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana no mahatonga ny fijalian’ny vahoaka malagasy. Na ny loza voajanahary aza dia anisan’ny voakasik’izany. Tsy kapoka avy amin’ny Andriamanitra no mitranga fa vokatry ny hadalana nataon’ny olombelona sy ny tsy fahaizan’ny mpitondra nametraka politikam-pitantanana mahomby hisorohana izany.

Ny fahantrana no loza voalohany sy mibaribary nateraky ny tsy fahaiza-mitantana. Voasokajy ho firenena mahantra indrindra mantsy i Madagasikara nefa nahitana ady an-trano. Izany hoe tsy nisy fifamonoana sy fanimbana fananan’olona teto tao anatin’ny 5 taona lasa nefa izao no zava-misy. Miakatra avokoa ny vidim-piainana nefa ny vahoaka zara raha-miasa sy mikarama ka tsy manam-bola hividianana izay zavatra ilaina hahafahana miaina. Manararaotra sy manao izay hitsetsefana ny efa madinika ireo mpandraharaha maro nefa mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana. Tsy asian’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Governemanta resaka mihitsy ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Mangingina ihany koa ny manam-pahefana manoloana ny fampakarana ny saran-dalana ataon’ny mpitatitra izay mitaraina ho matiantoka. Tsy hita popoka ny ministeran’ny Varotra sy ny Angovo nefa tsy taka-bidy ny faktioran’ny Jirama sy ny arina fandrehitra. Tsy ahitan-teny mihitsy ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ireo vesatra mianjady amin’ny vahoaka, izay efa azo sokajiana ho loza. Mba miteny matetika ihany ny Filoham-pirenena nefa toa mamilivily resaka fa tsy manome vahaolana hisorohana ny fahasahiranam-bahoaka mihitsy. Ny olona efa zara raha mihinan-kanina no sady mitebiteby amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny loza tsy nampoizina maro nefa ny fanentanana handoa hetra no mahamaika ny Filoham-pirenena. Isanandro vaky izao ahenoana olon maty novonoin’ny jiolahy, omby am-polony na an-jatony norobain’ny dahalo nefa ny hametraka fitoniana ara-politika sy hanagadra mpanao gazety no ihazakazahan’ny parlemantera sy ny Governemanta. Miandry fandraisana andraikitra mba hampidinana ny vidin’ny solika, ny Jirama, ny saribao, ny sakafo ilaina andavanandro, ny fanafody, sns… ny vahoaka nefa ny fahombiazan’ny fizotran’ny  fikarakarana ny fandraisana ny fivoriana an-tampon’ireo tany mampiasa manontolo na  ampahany ny teny frantsay no mampirehareha ny mpitondra malagasy. Ankoatra izany, tsy mitsaha-mitotongana ny voka-pifidianana sosialy. Izany hoe mandringa ny fanabeazana, mitaraina amin’ny fahaverezan’ny taniny izay nomen’ny Fanjakana ny sinoa ny vahoaka nefa valy boraingina no ataon’ny fiadidiana ny Repoblika ny mpikirakira ny pejy facebook.

Tena idiran-doza mihitsy ny malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana izay sady tsy manaraka ny fepetra takian’ny fandrosoana no manitsakitsaka ny fivavahana sy ny finoana ihany koa. Sahy mampijaly vahoaka amin’ny fampiasan-kery ny mpitondra, ary marobe ireo mpiasam-panjakana ambony no mangalatra sy manao kolikoly. Amidy amin’ny vahiny ny tanin-drazana ary hitsakitsahina ny hasina sy ny zo mahaolona. Manjaka ny lainga sy fitaka ary ny fivadiham-pitokisana isan-karazany. Avela ho fatin’ny jiolahy ny vahoaka satria ny mpitandro filaminana gejaina sy angonina eto an-drenivohitra mba hiaro ny mpitondra Fanjakana sy ny fananany. Tsy mahagaga raha hilaza ny mpandala ny resaka finoana fa voaozona sy voakapok’Andriamanitra ity firenena ity satria be fahotana loatra. Oviana tokoa moa no anndrenesana fa hisy rivo-doza mananontanona an’i Madagasikara ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina raha tsy izao ? Ny firongatry ny valala sy ny sahona misy poizina ary ny moka sy ny areti-mifindra maro samihafa manginy fotsiny. Tena nidiran-doza ramalagasy !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre