Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Kere any Androy – Dinihina ny tena fototry ny olana

Nanomboka omaly ny atrikasa tanterahina any Ambovombe Androy handinihana ny tena olana mampiverimberina ny kere any amin’ny faritra Atsimo. Faritra miisa 3 no voakasik’izany dia Anosy, Androy ary Atsimo andrefana. Any an-toerana avokoa ireo hery velona sy mpiara-miombona antoka amin’ny fikatsahana vahaolana mikasika ity kere ity. Nambaran’ny mpikarakara fa ankoatra ny fanangonana tolo-kevitra sy fandrafetana miaraka ny paikady tena mahomby dia hisy ny fanontaniana ireo mpisehatra raha tena vonona ny hanatanteraka izay fehin-kevitra mivoaka eo. Ny hain-tany izay mametra ny fahafahana mamokatra ara-pambolena sy fiompiana moa no tena olana voalohany mahazo ny toerana sasany any amin’ny faritra Atsimo. Antenain’ny vahoaka fa tena hiasa sy hitady vola hametrahana fotodrafitrasa iadiana amin’ny tsy fisian’ny rano ny fitondram-panjakana fa tsy hiandry ny famatsiambolan’ny avy any ivelany izay toa lasa resa-be fotsiny.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre