Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Faritra Atsimo – Olona roa hetsy hahazo rano fisotro madio

Mialohan’ny faran’ity taona ity no heverina hahazoan’ny ampahany voalohany amin’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Efa mipetraka ireo fotodrafitrasa vaventy fa ny fanambarana azy sisa. Tsy nila nanamboatra intsony mantsy ny fitondram-panjakana ankehitirny fa efa nisy siniben-drano mirefy 300 metatra toratelo sy fantsona mirefy 50 kilaometatra any anelanelan’i Tsihombe sy Amboasary ka ireo fotsiny no fampifandraisana amin’ny paompin-drano isan-tanàna. Raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny rano dia tsy ilana famatsiam-bola avy any ivelany ity tetikasa ity fa tokony ho ampy ny tetibola natokana ho an’ny minisitera. Raha mandeha amin’ny laoniny ny asa rehetra dia heverina ho vita mialohan’ny faran’ny taona. Ireo faritra sy toerana tena sahirana amin’ny haintany sy ny tsy fisian’ny rano no tena notsinjovina sy nomena ny laharam-pahamehana. Raha ny filazan’ny manam-pahaizana dia tsy saro-bahana ny olan’ny tsy fahazoana rano eto Madagasikara. Manana loharano marobe azo trandrahina izay tsy ho lanin’ny malagasy mihitsy mantsy ity Nosy ity saingy ny vola hampiasaina hananganana fotodrafitrasa sy fitarihana rano ho azon’ny mponina no olana. Ho an’ireo fitondrana nifandimby rahateo dia faralahin-jaza sy tsy anisan’ny kely tetibola ao amin’ny departemanta misahana ny rano. Saika miantehitra betsaka amin’ny asa soa ataon’ireo fikambanana tsy miankina ny fampidiran-drano fisotro madio eto Madagasikara.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre