Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

AV7 – Hampidirina mpiasam-panjakana avokoa

Vahaolana maharitra ho an’ireo lasibatry ny tifitra variraraka sy ny vono moka tamin’ny 7 febroary 2009 ny fampidirana ireo mpikambana ho mpiasam-panjakana. Tafiditra ao amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena izy ity ka nanomboka izao volana jolay izao ny fandraisana ny antotan-taratasin’ireo izay liana amin’izany. Tsy ho vesatra eo amin’ny fiarahamonina intsony ireo nitondra takaitra sy navelan’ireo namoy ny ainy fa afaka ny ho fanoitra eo anivon’ny firenena. Ho an’ireo maty sy nitondra takaitra ka tsy afaka miasa mantsy dia ny fianakaviany sy olona akaiky azy ireny no omena asa eo anivon’ny Fanjakana. Raha ny nambaran’ny filohan’ny AV7 dia ao anatin’ny roa volana no ezahina ho voaray avokoa ny antontan-taratasy ary ho tafiditra miasa ireo mpikambana. Tsy fantatra kosa raha mbola handray ilay fanampiana fanome azy ireo isam-bolana hatramin’ny andron’ny tetezamita ireo mpikambana na voatery tsy maintsy hiantehitra amin’izay karamany rehefa tafiditra miasa. Mandeha tsara ny tetikasa tan-tsoroka maharitra ho fanarenana ny fiainan’ireo niharam-boina tamin’iny vono olona teny Ambohitsorohitra iny saingy kosa tsy hita izay tohin’ny valin’ny fanadihadiana ho an’ireo nahavanon-doza. Ifanilihan’ny ekipan-dRavalomanana sy Rajoelina mantsy ny hadisoana ary ny fitondrana Rajaonarimampianina kosa dia tsy sahy mampihatra ny didim-pitsarana efa nivoaka.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre