Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Ambohitany – Rangahy mamolava matin’ny toaka

Hita faty vao maraina tao Ambohitany ny lehilahy iray 59 taona. Mpisotro toaka io olona io ary mamo izy ny omalin’io andro nahitana ny vatana mangatsiakany io, araka ny filazan’ireo mahafantatra azy. Rehefa nantsoina ny mpitsabo nanao ny fizahana dia voaporofo fa toaka tokoa no nahafaty azy. Misokatra ihany anefa ny fanadihadian’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Andriampamaky sao sanatria nisy resaka vono olona ity raharaha ity. Tsy zava-baovao eto Madagasikara rahateo ny fahenoana olona maty vokatry ny alikaola voapoizina. Mbola ilaina fanadihadiana lalina ihany koa ny niavian’ilay toaka nosotroiny sao dia misy akora tsy ara-dalàna ka hiteraka aretina na fahafatesan’ny olona hafa misotro ihany koa. Matetika dia ny toaka gasy izay tsy fantatra mazava ny fiaviany no tena mahafaty olona. Ity tany Ambohitany ity kosa dia tsy mbola voaporofo mazava na ny toaka nobobohany no nahafaty ilay rangahy na ihany koa mety ho renoka teny ivelany izy ka matin’ny hatsiaka mandra-paharainan’ny andro.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre