Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Ambohidratrimo – Nahafaty olona indray ny Sprinter

Vehivavy vao 22 taona monja no maty voadonan’ny fiara Sprinter teny Ambohidratrimo. Taksiborosy avy any Mahajanga ity nahafaty olona ity ary voalaza fa nandeha mafy ny mpamily izay maika hidira eto Antananarivo. Vokatr’izany dia efa nalain’ny havany ny razana ary ilay saofera kosa nentina natao fanadihadiana tao amin’ny borigadin’ny zandary eny an-toerana. Amin’izao fotoana izao dia ny Sprinter no fiarakodia tena mahafaty olona betsaka indrindra. Tsy mety manaiky izany ireo tompona taksiborosy sy mpankafy ireny fiara ireny na dia hita izao aza fa vatampaty mandehandeha araka ny anaram-bositra omena azy ny Sprinter. Matetika ihany koa dia ny tsy fanajana ny lafiny ara tekinika sy ny fikojakojana ny fiara no mahatonga ny loza satria maro amin’ireo fiara mpitatitra no misedra olana ara-mekanika eny an-dalana. Ho an’ireo avy any Mahajanga manokana dia tsy manaja ny tokony hisian’ny mpamily roalahy mifandimby ny tompon’ny fiara satria kahihitra. Mpamily iray ihany no asaina miari-tory mitondra ny fiara mandra-paharainan’ny andro koa tsy mahagaga raha manodidina an’Ankazobe sy Ambohidratrimo iny no tena betsaka loza miseho. Sady reraka mantsy ny mpamily no tsy ampy torimaso ka lasa tsy mahafehy intsony ny familiana. Mandeha mafy rahateo izy ireo manararaotra ny herin’ny fiara ary tsy te hahalala izay ain’ny mpandeha ao anatiny.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre