Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsy azo omena ny vahiny ny harem-pirenena

Lasa resa-be tsy mety mifarana ny ady tany ifanaovan’ny sinoa sy ny mponin’Arivonimamo ao Soamahamanina. Andaniny ny vahoaka milaza fa tsy tokony hotrandrahina ny harena an-kibon’ny tany ao satria manimba ny ala sy ny fiveloman’ny olona. Ankilany ny sinoa tsy ahitan-teny mihitsy fa dia mangingina sy manaraka am-bokony ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra sy ny manam-pahefana indray, miantehitra mafy amin’ny resaka lalàna sy ny fanarahana fenitra. Misy tena manao vava ary manaratsy ny mponina ao Soamahamanina mihitsy ireo be fahefana. Sahy milaza ny sasany fa efa namidin’ireo mponina ny tany ka zon’ny sinoa ny hitrandraka. Ny mpahay lalàna ihany koa dia miteny fa efa nanaja ny fepetra rehetra takiana ny sinoa ary ara-dalàna tanteraka. Ny mpitandro filaminana kosa indray dia miankina amin’ny hoe baiko ny azy ireo ary adidy aman’andraikiny ny mitandro ny fahalemana ary manao izay hisorohana ny fifandonana sy ny herisetra ary ny fanimbana fananan’olona amin’ny endriny rehetra.

Tsy misy mijery ny mahaolona sy ny rariny ary ny hitsiny intsony ny mpitondra Fanjakana sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny fa karazan’ny voagejan’izao lalàna manan-kery rehetra izao sisa. Na hita mibaribary aza fa hamotika tanteraka ny fiarahamonina sy ny hoavin’Arivoniomamo ny fitrandrahana dia ekena sy tsy maintsy hatao satria voahaja ny lalàna sy ny fepetra takiana rehetra.

Hadinon’ny manam-pahefana fa eto Madagasikara no misy an’i Soamahamanina fa tsy any Chine. Izany hoe an’ny malagasy ny harena rehetra eo na ambonin’ny tany izany na ankibon’ny tany. An’ny malagasy tsy ifampizarany amin’ny vahiny ny alan-tapia eo ambony sy ny volamena ao ambany ary izay rehetra azo trandrahana eo. Raha tena te hampandroso ny firenena sy misinjo ny vahoaka ny mpitondra dia mila tonga saina sy mahatsapa fa tsy vahaolana ny fanaovana varoboba ny harem-pirenen’i Madagasikara. Tsy handroso izany ity firenena ity raha homena ny vahiny avokoa ny harena rehetra misy eto. Ny tena mahagaga mantsy dia tsy avela hitrandraka mihitsy ny vahoaka madinika sy ny mpandraharaha malagasy fa omena ny vahiny avokoa izay toerana tsara mety hahitana volamena sy vatosoa ary karazam-by sarobidy rehetra manerana ny Nosy. Vao mahita harena an-kibon’ny tany ireo mpitrandraka madinika dia roahina sy andefasana mpitandro filaminana mihitsy hiala amin’ilay toerana. Avy eo anefa dia ireny ny vahiny miaraka amin’ny taratasy fahazoan-dalana sy ny fitaovana vaventy tonga hitrongy sy haka amin-kalalahana ny harentsika.

Tsy azo amidy i Madagasikara ary ny fanaovana di-doha tsy hanaiky izany hatrany no nanimba ireo mpitondra nifandimby. Aleo ny firenena hahantra amin’izao rehefa tsy vitan’ny malagasy ny mitrandraka ny hareny fa aza omena ny vahiny ny lova ho an’ny taranaka. Ny mpitondra ankehitriny no tsy mahavita mametraka paikady mazava hitrandrahana ny volamena sy vatosoa ary akora hafa ao ambanin’ny tanin’i Madagasikara fa any indray andro mbola hisy malagasy hahavita hanao izany. Amin’izay fotoana izay anefa ahiana tsy hisy na inona na inona intsony satria efa omen’ny mpitondra ankehitriny ho trandrahin’ny vahiny ny harentsika. Ambetintenin’ny manam-pahefana amin’ny kabariny hatramin’ny niandohan’ity fitondrana Hvm ity ny hoe laharam-pahamehana ny fitrandrahana ireo otrik’arena voajanahary ananan’i Madagasikara. Hay ataon’izy ireo varoboba amin’ny vahiny fotsiny no tanjona fa tsy hita izay tombontsoa ho an’ny firenena iray manontolo. Izao indray dia lazaina fa tsy azo ialana ny fiantsoana mpandraharaha vahiny sy mpamatsy vola iraisam-pirenena hay tambatambazana amin’ny harena voajanaharin’i Madagasikara izy ireny. Hatreto aloha dia tsy hita izay tena asa fampandrosoana azon’ny firenena hatramin’izay nanomezana fahazoan-dalana orinasa vahiny hitrandraka ny atitanin’i Madagasikara izay. Ny fihetsiketsehana no be dia be fa mbola mitana ny rambony amin’ny fahantrana maneran-tany ihany ny firenena !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre