Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Port Berger – Vehivavy manan-janaka roa maty voatsatok’antsy

Vehivavy 24 taona manan-janaka mirahavavy kely no maty notsatohan’ny vadiny ny antsy tany Port berger. Lasa tsy misy mpiahy ireo zaza 2 sy 3 taona satria ny reny namoy ny ainy ary ny ray kosa tsy maintsy hiditra am-ponja. Hay fa efa nisaraka rangahy sy ramatoa ka nisintaka ity farany. Tonga nidodododo nifona sy nampody ny vadiny ilay lehilahy 22 taona nefa tsy nanaiky ravehivavy. Nentin’ny fo rano mafana sy tsy nahazaka ny vavabe nahazo azy rangahy ka nahakasi-tanana sy nanindrona antsy mihitsy ary izay no nahafaty ilay vadiny. Voasambotry ny fianakavian’ny maty ilay nahavanon-doza ary tsy novonoin’izy ireo fa nateriny tany amin’ny mpitandro filaminana. Tsy fahita firy ity tranga ity satria matetika iharan’ny maso solon’ny maso ny mpamono olona toy izao ary matin’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Efa natolotra ny fampanoavana ilay nahafaty vady sy nampidirina am-ponja vonjimaika. Sady sazy ho azy izany no fiarovana ny ainy ihany koa satria raha sendra tafavoaka ny fonja izy amin’ny fotoana mbola tsy nikatonan’ny ferin’alahelo dia mety hiafara amin’ny valifaty aminy ihany ny raharaha. Entin’ny fo tsy voafehy fotsiny ny olona matetika dia tsy mahafehy tena fa lasa mahavita zavatra tsy ampoizina ao anatin’ny in-dray mipi-maso izay hanenenana mandra-pahafaty anefa.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre