Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Mahajanga – Ripaka ny alika mpirenireny

Miditra amin’ny famonoana alika mpirenireny ny ao an-drenivohitry Mahajanga amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’izany ny hampihenana ny risika mety hifindran’ny areti-mifindra azo avy amin’ny kaikitry ny alika dia ny haromontana izany. Efa maromaro ihany ny alika maty any an-toerana hatramin’ny niantombohan’ny hetsika saingy mila mitandrina kosa ny vahoaka satria poizina no ampiasaina ka mety hisy fiantraikany ratsy raha lasa any amin’ny sakafon’olona. Ireo mpitsindroka fako no tena mila fitandrama satria misy amin’ireny mahantra sy malahelo ireny miady vary sy sakafo amin’ny alika eny an-dalana sy eny amin’ny dabam-pako eny. Fantatra fa ny alika no biby voalohany tena mpamindra ny haromontana amin’ny olombelona. Tsy mbola misy fanafody anefa ny haromontana fa ny fanaovana vakisiny ireo olona voakaikitra ihany no fanafana mahomby indrindra. Ankoatra ny alika dia mety hamindra haromontana ihany koa ny kaikitry ny biby mampinono hafa toy ny saka sy ny voalavo ary ny ramanavy.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre