Hosoka – Amidy 6 hetsy Ariary ny diplaoma bakalorea
Misy mivarotra 6 hetsy Ariary ny mari-pahaizana bakalorea hosoka. Mandefa hafatra amin’ny tambazotram-pifandraisana ireo mpanao izany mba hitadiavana mpanjifa. Mety avokoa hoy izy ireo na ny olona zara raha mahay manoratra aza. Rehefa nanontaniana tamin’ny hafatra miafina ilay kaonty mpandefa ilay izy dia tena misy tokoa fa tsy sangisangy na vazivazy. Ambarany fa afaka hamarinina any amin’ny minisiteran’ny asa sy ny sampan-draharaha misahana ny bakalorea ny fahamarinan’ilay diplaoma amidiny. Afaka alefa amin’ny hafatra fohy ny mombamomba ilay olona hividy diplaoma ary alefa amin’ny finday kosa ny vola tokony haloa dia vita ny resaka. Rehefa vita ilay diplaoma dia misy fotoana hifanaovana hanaterana azy.
Hatreto aloha dia tsy mbola nisy sahy nitaraina amin’ity resaka hosoka ity satria na nety ny natao na ihany koa tsy sahy mitory raha voafitaka noho ny tahotra ny fitsarana. Tena heloka bevava mantsy izany fanaovana diplaoma hosoka izany ary anisan’ny fanetry be mambotry ity firenena ity. Marobe ireo mpiasam-panjakana ambony no efa tratra nanao mari-pahaizana hosoka toy ny bakalorea sy ny teny amin’ny fampianarana ambony. Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ny firenena satria maro ireo tsy mahay na inona na inona fa mahitahita sy mahay kolikoly fotsiny dia mahazo toerana ambony.
Mangingina ny fitondram-panjakana sy ny birao miady amin’ny kolikoly manoloana izany fomba fanao ratsy rehetra izany. Saika mijanona amin’ny tatitra sy ny fanadiohadiana fotsiny mantsy ny resaka kolikoly avo lenta toy itony fa tsy mba ampahafantarina ny vahoaka matetika izay niafaran’ny fanadihadiana.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







