Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fanendahana – Mpividy lavanila voadaroka, very ny 10 tapitrisa Ariary

Raha mirohotra any amin’ny toerana fahavokaran’ny lavanila ny mpandraharaha sy ny mpanangom-bokatra dia mba nanara-dia azy ireo ihany koa ny jiolahy sy ny mpanendaka. Lehilahy iray no naratra mafy nifanehatra tamin’ny mpanendaka tao Andapa. Naiditra hopitaly mihitsy izy saingy tsy ahiana ny ainy. Nifanehitra tamin’ny mpanendaka teo akaikin’ny eglisy katolika izy io ary niharan’ny daroka avy hatrany, araka ny loharanom-baovao. Lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny vola 10 tapitrisa Ariary teny aminy. Saika haodina hividianana lavanila maitso anefa io vola io. Ity no tonga amin’ilay fitenenana hoe ny nantenain-tsy azo ary ny an-tanam-botsotra. Hampitombo ny vola teo am-pelatanana mantsy no tanjon’ity lasibatra ity nefa vao mainka voa mafy satria ny mason-karena lasan’ireo mpanendaka ary tena mbola sahirana mitsabo tena any amin’ny hopitaly izy. Sady tsy afaka miasa no mbola hamoaka vola amboniny amin’ny vidim-panafody. Ny tranga toy izao dia maneho fa tsy kely lalana ny ratsy na mandray andraikitra manamafy ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany aza ny mpitandro filaminana. Efa misy tambazotran-jiolahy mitety faritra mihitsy eto Madagasikara ka tafihan’izy ireo avokoa izay toerana miaka-bokatra. Izany tokoa ny hoe mamboly voky tsy mamomby voky.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre