Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Andapa – Olona 10 voapoizin’ny ranom-boankazo sy labiera

Olona miisa 10 ao anatin’ny fianakaviana iray no voatery nampidirina hopitaly noho ny fanapozinana ara-tsakafo. Tany Andapa no nitranga ity loza tsy nampoizina ity. Ranom-boankazo misy gazy sy labiera no nosotroin’izy ireo talohan’ity tranga ity, araka ny fanazanan’ny fianakaviana. Olona 3 no tena voa mafy satria sady tsy mbola mahiratra no tsy mahasoka-bava ihany koa. Ankizy iray 16 taona sy vehivavy lehibe 69 taona no tena voa mafy amin’izany.  Ny ambiny kosa efa afaka mipetra amin’ny seza ary tsy dia atahorana intsony ny ainy. Tsy mbola nanazava ny tena anton’izao tranga izao kosa ny mpitsabo na ny fifangaroan’ireo zava-pisotro roa samihafa no tsy levon’ny vavonin’ireo nisotro na tena nisy nanapoizina tokoa izy ireo. Fantatra fa nisy lanonana tao amin’ilay fianakaviana tamin’io fotoana io. Nahazo môtô mantsy ny lehilahy iray tao an-trano ka nanasa ny havany mba hanao fety hiaraha-mifaly amin’io fahasoavana niditra io. Sendra ny tsy nampoizina anefa fa niafara tany amin’ny hopitaly ny hafaliana. Mila mitandrina ihany ireo manao fety amin’ny vanim-potoana mivadibadika toy izao satria mora simba ny sakafo ary lasa mivadika poizina. Maro ihany koa ireo sakafo lany daty sy tsy manara-penitra ara-pahasalamana amidy eny amin’ny mpivarotra rehetra eny ka mety hitera-doza raha tsy voara-maso tsara.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre