Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Betioky Atsimo – Tafatsangana ny Dinabe hanafoanana ny asan-dahalo

Voafidy tamin’ity herinandro ity ireo mpikambana handrafitra ny biraon’ny Dinabe ao Betioky Atsimo ka nandray anjara tamin’ny fifidianana azy ireo ny fokontany 26 any an-toerana. Hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo no tena tanjona nananganana azy io ka handrafitra  ireo rehetra efa misy any an-toerana. Ara-dalàna tanteraka izao fandaminana sy fepetra noraisina izao satria manaraka ny fepetra nateraky ny Dina ao amin’ny faritra Atsimo andrefana izay efa nankatoavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toliara. Efa nohavaozina mantsy izy io ary haparitaka amin’ireo kaominina miisa 16 ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo. Anisan’ny faritra mafana amin’ny asan-dahalo sy amin’ny famoahana antsokosoko ny harem-pirenena i Betioky ka izay olona efa tany dia mahatsikaritra fa vonona amin’ny fiarovan-tena mandrakariva ny mponina. Vao 13 taona monja ny tovolahy any an-toerana dia ividianana basim-borona ary maro amin’ireo olona manan-katao no manana basy poleta ho fiarovan-tena. Amin’ny ankapobeny dia milamina ao Betioky tampon-tanana fa mbola anjakan’ny halatr’omby kosa ny manodidina. Ankoatra izany, miteraka savorovoro amin’ny mponina sy ireo mpivahiny ny fanimbana tsy am-piheverana ny ala nanahary. Misy andian’olona maro mantsy tonga any Betioky ary manimba ny ala tantanin’ny vondron’olona ifotony, izay miafara amin’ny korontana hatrany ny toe-draharaha.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre