Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Fenoarivobe – Miantrana am-bava basy ny mpitandro filaminana

Raikitra ny fanairana ao fanoarivobe fa misy andian-dahalo an-jatony hanafika ny tanàna. Nahoraka be io resaka io nanomboka tamin’ny talata ary tsy nataon’ny mpitandro filaminana ambanin-javatra. Niparitaka manerana ny tanàna ny tandroka aron’ny vozona ary efa niantso namana avy any amin’ny toby hafa izay efa tonga any an-toerana ihany koa. Ankoatra ireo dia novoriana ny vatan-dehilahy rehetra sy ny andrimasom-pokonolona ka niray hina fa hifanome tanana hiarovana ny tanàna. Nomena baiko ihany koa ny fokontany rehetra mba hametraka lamina hiatrehana ny mety ho fanafihana. Araka ny fantatra dia karazan’ny tsaho naely hanakorontanana ny mponina any an-toerana no nahatonga izao fepetra fiarovana goavana noraisina izao. Tsy fantatra mazava anefa hoe iza no tena nanaparitaka fa dia nampitandrina ireo mpanely tsaho ny mpitandro filaminana.

Noderain’ny mponina any Fenoarivobe ny fandraisan’andraikitra nataon’ny mpitandro filaminana satria tsara ny mailo mba hialana amin’ny tampoka. Matetika mantsy tena mitranga tokoa ireny tsaho aelin’ny olon-dratsy ireny fa hanafika izy ireo. Tato ho ato rahateo dia mihantsy hatrany ny zandary sy polisy ary miaramila mihitsy ny dahalo izay sady tsara fitaovam-piadiana no marobe satria misy an-jatony. Resy tosika ihany anefa ny fanafihan-dahalo rehefa mahay miray hina ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Betsaka ireo dahalo lavo sy omby tafaverina rehefa misy ny firaisankina.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre