Vous êtes ici :

Mardi 14 Mai 2024

ombre

Mahabo – Trano miisa 8 may nisy nandoro

Lasa lavenona ny trano miisa 8 any Mahabo taorian’ny fahamaizana nitranga tamin’ny talata teo. Tamin’ny 11 ora alina no nitranga ny firehetana voalohany, izay tena fanahiniana nodorona mihitsy araka ny nambaran’ireo lasibatra. Voaporofo mantsy fa norarahana lasantsy ny tapenaka talohan’ny nandrehetana izany tamin’ny afokasoka. Nihitatra avy hatrany ny loza ka trano miisa 7 hafa ihany koa no tratran’ny afo ary nirehitra avokoa. Nanao izay azony natao ny mpiara-monina ka izany no nahafahana nifehy ny afo ka tsy nandrava ny tanàna iray manontolo. Tsy nisy namoy ny ainy ireo olona tao amin’ireo trano may satria nalaky nahay nanavo-tena nivoaka avokoa. Goavana kosa ny fahasimbana satria vinavinain’ny tompony ho 20 tapitrisa Ariary any hoa ny tetibidin’ny entana sy fananana lasa lavenona.

Mahagaga ny vahoaka malagasy mihitsy ity resaka doro trano amin’ny andro main-tany ity satria toa lasa fanao isan-taona. Ny faritra rehetra manerana ny Nosy na an-tanàn-dehibe dia tsy afa-bela ary misy mihitsy mihevitra fa tafiditra amin’ny asa fanakorontanana ny firenena ny hain-trano. Ho an’ilay tsenan’Isotry teto Antananrivo may farany teo izao dia samy nilaza ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny lehiben’ny Governemanta fa misy ambadika tsy mazava iny raharaha iny. Hatreto anefa tsy hita izay valin’ny fanadihadiana fa toa vitavita ho azy tamin’izao fotsiny ireny loza rehetra mihatra amin’ny vahoaka madinika eto Madagasikara ireny.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre