Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Vondrozo – Mpanala BEPC tapa-tongotra tamin’ny môtô

Nidiran-doza ny zazavavy mpanala Bepc iray tany Vondrozo satria niharan’ny lozam-pifamoivoizaina teny an-dalana hanao fanadinana. Nandeha môtô izy ary nifandona tamin’ny kodiaran-droa hafa ilay notaingenany. Vokany, naratra mafy ny feny. Na izany aza, tsy niala an-daharana izy fa nikiry ihany nanao ny fanadinany rehefa nahazo fitsaboana tsotsotra. Voalazany fa narary azy mafy ilay tongony voadona rehefa mipetraka ela izy nefa tsy nataony nahakivy izany satria ho very herin-taona indray raha manajanona ny fanadinana eo. Anisan’ny voka-dratsin’ny fikarakarana izay tsy tomombana loatra avy eo anivon’ny Fanabeazam-pirenena ity tranga iray ity, ankoatra ny tsy fitandreman’ny samy mpampiasa lalana. Any amin’ny 30 kilaometatra miala ny ivotoeram-panadinana mantsy ilay zaza no mipetraka ka tsy maintsy mandeha môtô rehefa nanala Bepc. Tsy izy irery fa mpianatra maro no tena mijaly vokatr’io fahalaviran’ny toeram-panadinana io, eny fa na ny eto Antananarivo aza. Ireo mpanala bakalorea no tena lasibatra amin’izany matetika satria maro amin’ireo ankizy mianatra sy mipetraka amin’ireo kaominina manodidina no eto an-drenivohitra no manala fanadinana. Misy, ohatra, avy any Mahitsy sy Ambohidratrimo nefa eny Ampefiloha no nanao ny fanadinana. Ny sasany indray avy eny Ambohimalaza sy Ambohimangakely iny nefa ao amin’ny Rabearivelo na eny Andohalo  niatrehana izany. Tsy maintsy niala tany an-tranony talohan’ny tamin’ny 5 ora sy sasany maraina ireny ankizy ireny raha tsy te ho tara amin’ny fiantsoana anarana nefa maizim-bava vilany sy homam-bary olona vao tonga any an-trano ny hariva.

 

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre