Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

EasyPark – Manangon-tsonia ny mponina fa leo !

Tezitra mafy amin’ny fitantanana ny parking eto Antananarivo ny mponina satria iharan’ny tsy rariny sy ny fizahozahoana ary ny taim-bava avy amin’ireto mpitantana ny tanàna ankehitriny ireto. Mbola tsy ampy herintaona akory ry Lalao Ravalomanana sy ny ekipany dia tsy misy mponina tsy mimenomenona aminy. « Rehefa tsy manana garage dia tokony tsy manana fiara », hoy ny iray tamin’izy ireo vao tsy ela akory izay ary mazava ho azy fa be ny tafitohana tamin’izany teny tsy voahevitra izany.

Vokany : miainga any ny taratasy fanaovan-tsonia mitaky ny hitsaharan’ny fanomezana ny trottoir sy ny sisin’araben’Antananarivo an’ny orinasa EasyPark ary indrindra ny tokony tsy maintsy hanapahana ny fiaraha-miasa eo amin’ity orinasa ity sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mponina tsotra amin’ny fokontany maromaro eto afovoan-tanàna no ahitana izany fanangonan-tsonia izany ary ny tena mahagaga dia olona tsy ampoizina no mitaona ny hafa hanao izany. Amin’ny fokontany iray izay iniana tsy ho lazaina eto ny anarany, ohatra, dia ireo olom-piangonana protestanta no lohalaharana, izany hoe miray finoana amin-dramatoa ben’ny tanàna sy ny vadiny ary azo lazaina fa Mpitandrina izay manana ny maha-izy azy tokoa.

Etsy andaniny dia toa tsy hita marina tokoa izay mba fanatsarana entin’ilay orinasa ho an’ny tanàn’Antananarivo fa toa voa mainka aza mikorontona izay tsy izy ny fifamoivoizana. Ny hitan’ny maro aloha dia toa fariparitan’ny mpiasan’ity orinasa ity fotsiny ny sisin’arabe ka omeny toerana amin’izay mampety ny sain’izy ireo na ny fijanonan’ny fiara mpitatitra olona na taxibe izany, na ny fijanonan’ny fiara mpitatitra entana na ihany koa ny taxi. Tena mahagaga sy mahatalanjona tokoa ilay fomba fiasa satria ho an’Antananarivo fotsiny, mitovy amin’ireo tanan-dehibe hafa maneran-tany, dia misy ny fikarohana maharitra sy fanadihadiana lalina vao mahazo ny drafitra amin’ny fandrindrana ny arabe izany. Volabe tokoa no lany amin’izany asa izany ka dia mazava amin’ny rehetra fa kitoatoa no atao eto. Isan’ireo antony mahatonga ny mponina sy ny mpampiasa làlana hitaky ny fanapahana ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa ity ireo antony ireo raha ny resaka natao tamin’ireo mponina.

Ariane Valéry

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre