Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Narian ‘ireo mpangalatra tany anaty akata ireo zaza roa

Very nandritra ny 16 ora ireo zaza roa tany Toamasina. Ny Alarobia tolakandro izy ireo no nanjavona ary ny Alakamisy vao hita. Nisy naka an-keriny ireo zaza ireo ary nentin’ireo mpangalatra olona tany amin’ny toerana tsy voafaritra, araka ny filazan’ny olona akaiky azy ireo. Tsy fantatra anefa izay zava-nitranga fa narian’ireo mpaka an-keriny tany anaty akata ireo ankizy ireo rehefa nisasaka ny alina. Teny amin’ny manodidina ny fokontany Tsararivotra no nariana ireo ankizy ka ny mponina sy ny tompon’andraikitra tao amin’ity tanàna ity no nikarakara azy ireo sy nampandre ny mpitandro filaminana ary ny fianakaviana. Tsy hay mazava izay anton’ity fakana an-keriny ity saingy azo antoka kosa fa tena hala-jaza. Raha ny fiheveran’ny maro azy dia nokasaina hamidy ireo zaza saingy mety tsy nifanaraka indray na tsy tonga ireo nikaomandy ka voatery narian’ireo olon-dratsy fotsiny. Tombatombana iray hafa ihany koa ny hoe natahotra ireo olon-dratsy sao tratra satria efa niely be tao Toamasina iray manontolo ary manerana an’i Madagasikara mihitsy ny fampilazana mahakasika ireo zaza very ireo.  Efa nisy tranga toy izao mantsy tany Ambatondrazaka ka navelan’ireo mpangalatra tao anaty lavaka ireo ankizy rehefa nampijaliany andro vitsivitsy. Voalaza tamin’izany fa zaza miisa 10 no nisy nikaomandy nefa tsy feno ny isa ka tsy novidiany ireo vitsivitsy efa azon’ireo mpangalatra. Vola mitentina 20 tapitrisa Ariary no nolazain’ireo jiolahy fa nokasainy hivarotana ny zaza iray. Mipongatra indray ity resaka hala-jaza tao Ambatondrazaka ity satria araka ny fantatra dia miriaria any ilay tena atidoha tamin’io asa maizina io.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre