« Cap Kids Tour » – Fahombiazana ho an’ny ekipa malagasy
Tonga androany tamin’ny iray ora maraina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo ekipa mpilalao tenisy malagasy ao amin’ny Académie de Tennis Malagasy (Atema) rehefa avy niatrika fifaninana lehibe mitondra ny anarana hoe : « Cap Kids Tour ». Ankoatra ny taranja baolina lavalava dia anisan’ny ahazoan’ny ekipa malagasy vokatra tsara indrindra ny tenisy satria fahombiazana tanteraka no azon’ny ekipan’ny Atema tamin’ity lalao ity raha ny nambaran’i Harivony Andrianafetra, izay mpanazatra sady mpiandraikitra ity ekipa ity. « Efa avo lenta ny fari-pahaizan’ireo mpilalao vahiny ary hita tokoa fa efa manana traikefa amin’ny filalaovana raketa izy ireo. Tsy latsa-danja amin’izany kosa anefa ireo mpilalao malagasy satria nivoaka mendrika avokoa ny ankamaroan’izy ireo nandritra ireo lalao izay notontosainy », araka ny nambarany hatrany.
Araka izany, nahazo vokatra tsara ny mpilalao malagasy raha tsy hiteny afa-tsy ny nahazoan’i Safidisoa Emmanuelle ny amboara teo amin’ny Sokajy U14 rehefa nandavo an’i Alcalde Guichard Lisa tamin’ny seta roa no aotra (6-3 6-2). I Robinson Kaliana kosa no nibata ny amboara teo amin’ny Sokajy U12 rehefa nivoaka mpandresy tamin’ny lalao izay nifandonany tamin’ny Safidisoa Emmanuelle. « Azo lazaina fa mendrika avokoa ireo mpilalao izay nivahiny tany Frantsa nandritra ity fifaninanana ity na teo amin’ny fomba fihetsika izany na teo amin’ny fahavononana eny hatramin’ny fanajana toro-marika sy ny fanajana mpifanandrina. Hita taratra teo amin’ny mpikatroka koa ny “faire-play” na mbola zandriny avokoa aza izy ireo », hoy hatrany ny mpanazatra. Ankoatra izay, nanararaotra ny fivahinianana ity farany nifanankalozana traikefa tamin’ireo namany matihanina amin’ny fikirakirana raketa. Izany no natao dia mba hampivoarana kokoa hatrany ny tontolon’ny tenisy eto Madagascar.
T.A.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







