Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Sambava – Maty nohitsahin’ny kamiao ny mpampianatry ny Epp

Lehilahy iray no maty nohitsahin’ny kamiao tao amin’ny fokontany Marombihy Sambava ny fiandohan’ny tolakandron’ny Alakamisy lasa teo. Voalaza fa mpampianatra ao amin’ny Epp izy io ary tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana. Niteraka aizina sy fambara ratsy ho an’ny fanadinana BEPC izay nifarana io alakamisy io ity loza mahatsiravina ity. Tato ho ato dia betsaka ny kamiao nahafaty olona sy manao lozam-pifamoivoizana. Tsy fitandreman’ny mpamily sy ny tsy fahatomombanan’ny fikojakojana ara-tekinika hatrany no mahatonga ireny loza ireny matetika. Matimaty foana fotsiny ny mpandeha an-tongotra satria ny mpamilin’ny kamiao tsy mba voatazona amin’ny loza aterany mihitsy matetika. Io antony io no mahatonga ny fitsaram-bahoaka mba hanafaizana ny mpamily tsy mitandrina rehefa mandalo toerana be olona mifamezivezy. Tsy ampy rahateo ny fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana ka dia manao izay saim-pantany ireo mpamily.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre