Fitaterana – Taxi tsy ara-dalàna miisa 210 no efa voasambotra
Hatramin’ny nisian’ny hetsika fisavana taratasin’ny fiarakaretsaka eto an-drenivohitra dia miisa 210 ireo tratra fa tsy manara-dalàna. Na nanao fitokonana in-droa miantaona aza mantsy ireo mpamily dia tsy niverina amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ny avy eo anivon’ny kaominina fa vao mainka nanamafy ny fanadiovana ity seha-pitaterana iray ity. Efa hatramin’ny ela rahateo no nangataka izany ireo tena ara-dalàna satria manimba tsena ireo tsy manana taratasy nefa manao ny asan’ny Taxi. Rehefa tena dinihina kosa anefa dia misy antony avy amin’ny kaominina ihany no mahatonga ny olona hanao io asa io na dia tsy tomombana aza ny taratasy entiny. Tsy mamoaka fahazoan-dalana intsony mantsy ny eo amin’ny kaominina nefa hita fa maro ny afaka mampiasa fiara hanao Taxi. Takian’ny maro an’isa noho izany ny hanaovana tolotra vaovao hanavaozana ny antontan-taratasy fahazoan-dalana hampiasa sy hamily Taxi ka anisan’ny fepetra hentitra tsy maintsy hajaina ny fahatsaran’ny fiara sy ny fahatomombanana ara-tekinika. Ny tena olana dia efa tena ratsy loatra sady tsy mendrika ny hiasa intsony ny ankamaroan’ireo fiara manana taratasy ara-dalàna.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







