Firenena tsy ahitam-bahaolana
Hifanenjana sa hifanatona ? Ireo fanontaniana roa ireo no apetraky ny vahoaka isaka ny misy disadisa politika sy savorovoron-ketra eto amin’ny firenena. Toa efa lasa raikipohy mihitsy ny fitabatabana sy ny fanaovana fihetsiketsehana, izay miafara amin’ny fifanatonana amin’ny mpitondra Fanjakana izany vao misy vahaolana. Andaniny ny olon-tsotra sy ny fikambanana ary sendika izay ianjadian’ny tsindry hazolena amin’ny fanaparam-pahefana sy ny be marenina, ny valy boraingina ary ny didy jadona ataon’ny mpitondra dia tsy afa-manoatra manoloana ny hery famoretana izay ampy traikefa sy vonona ny tsy hitsitsy. Atody miady amam-bato raha eo anatrehan’ny Emmoreg no hiseho ho be mokon-doha hikiribiby amin’ny fidinana an-dalam-be. Efa nahita ny vokatr’izany avokao na ny mpianatra, na ny mpampianatra, na ny mpanao gazety, na ny sendikalista, na ny vahoaka tsotra mba te haneho hevitra andalam-be. Baomba mandatsa-dranomaso, daroka kibay, fandorana amin’ny herinaratra, hitsaka, daka, fisamborana ary fampidirana am-ponja sy fanendrikendrehana ho mpanakorontana sy mpanongam-panjakana no miandry izay rehetra te hitaky ny fahalalahana sy ny zo amin’ny maha olom-pirenena eto Madagasikara. Tsy mahagaga raha mailo ny rehetra ary tsy misy sahy miatrika mivantana amin’ny Emmoreg izany satria maradratra sy migadragadra amin’ny tsy antony fotsiny.
Ankilany ihany koa anefa na miantehitra amin’ny famoretana mba hampanginana ny vahoaka aza ny fitondram-panjakana dia hita ihany fa manao adin’ny kanosa ka matetika mitranga mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny izay tsy mahafaly ny vahoaka. Tsy maintsy manaraka ny ambaratonga mahazatra anefa ny mpitondra vao manaiky hanatanteraka ny fangatahan’ny maro an’isa. Amin’ny voalohany, tsy mihaino sy tsy te hahalala izay fitarainan’ny vahoaka. Faharoa kosa manao valin-teny maharary sy fizahozahoana. Fahatelo, mandefa mpitandro filaminana hanao famoretana. Fahefatra farany, miantso ny mpanao fihetsiketsehana hifandinika ary mahavita manampim-bava amin’ny alalan’ny fanambatambazana ireo lohandohan’ny mpisorona mpitarika ny hetsika mba hampiatoana mangingina ny fangatahana na dia tsy voavaly manontolo aza izany.
Io fomba fanao io no tena mampitsingilahila ity fitondram-panjakana mijoro ity. Olana azo vahana amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana ao anatin’ny ora vitsy lasa, izay mihitatra amam-bolana maro ary miafara amin’ny fifanalam-baraka sy ny savorovoro izay vao hiditra amin’ny fihaonana an-databatra boribory. Ny tsy fahavononana hihaino ny hetahetam-bahoaka no mahatonga izany rehetra izany. Raha manova fitondran-tena ka manome sehatra ny fifampidinihana ny mpitondra ary tena mihaino sy manatanteraka izay takian’ny vahoaka dia tsy hisy mihitsy ireo fitakiana etsy sy eroa ireo. Amin’ny ankapobeny mantsy ny fanatanterahana izay nampanantenain’ny Filoha ihany no anton’ny fitakiana ataon’ny sehatra maro fa tsy sanatria filam-baniny na zava-baovao vao noforonina. Anisan’ny fampanantenana fototra nataon’ny Filoha sy ireo olom-boatendriny ny hanao asa fampandrosoana misy fiantraikany mivantana amin’ny sosialim-bahoaka ary ny hanao laharam-pahamehana ny fitantanana sy ny famadihana ny harena voajanahary ho fanoitra ny asa fampandrosoana. Vao mainka anefa mifanohitra amin’izany ny zava-misy satria ny malagasy mihamahatra hatrany. Ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly misy sarany lafo fia lafo tsy takatry ny ankamaroan’ny olona. Ny vokatry ny fanadinam-panjakana tsy mitsaha-mitsororika ary ny tany misy volamena zarazaraina amin’ny sinoa. Maharary amin’ny vahoaka ny toy izany, izay antony isian’ny fihetsiketsehana sy tsikera maro amin’izao fotoana izao. Manoloana izany rehetra izany, manao di-doha ny mpitondra Fanjakana ary tsy te hahalala ny fitarainam-bahoaka fa vao mainka manamafy sy manohy izay fihetsika tsy mahafaly ny ankamaroan’ny malagasy. Tsikaritry ny rehetra anefa fa mahay miantso fifanantonana sy fifampiraharahana ihany rehefa mitady hipoaka ny sarom-bilany. Tsy aleo ve misoroka toy izay mitsabo e !
Ravalo Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







