Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Feno 75 taona Ankaramalaza – Olona miisa 3 alina andrasana amin’ny fankalazana

Hanomboka anio ary haharitra hateloana ny faha-75 taonan’ny isan-taonan’ny toby lehibe Ankaramalaza. Mpandray anjara miisa 3 alina mahery no irariana ho tonga hanatrika izany ary heverina fa ho anisan’ny hanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity ny fitondram-panjakana. Anisan’ny tanjona iray lehibe rahateo hoy i Andreas Richard, tonian’ny toby lehibe Ankaramalaza ny hanao vavaka ho an’ny firenena sy ny mpitondra. Ankoatra izany, hazakazaka anio maraina miainga eo Lokomby ka hatrany Ankaramalaza, izay mirefy 8 km. Hisy ihany koa ny fifaninanana mamoy lakana ka izay tonga aloha no maharesy. Tsy tokony hitsara ny hafa ireo mpandray anjara rehetra rehefa samy mody any amin’ny toerana misy azy avy fa ho lasa maodely any amin’ny toerana misy azy kosa aorian’ny fankalazana. Nanampy betsaka tamin’ny fikarakarana ity fankalazana ity ny fitondram-panjakana ka nanolotra fanampiana ara-tsakafo sy nanao izay hampirehitra ny jiro, teo ihany koa ny fanamboarana ny lalana mankany. Hanome trano lay handraisana ireo mpandray anjara ny BNGRC. Ny toby Fifohazana ao Ankaramalaza moa dia noforonin’i Volahavana Germaine fantatra amin’ny anarana hoe Nenilava, izay miankina amin’ny fiangonana loterianina malagasy izy io.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre