Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Halatra sokatra – Olona 17 voasambotra tany Androy

Hatramin’ny fiandohan’ity taona 2016 ity dia mpangalatra sokatra miisa 17 no efa voasambotra tany Androy ary naiditra am-ponja avokoa izy rehetra. Ny fametrahana ny dina no tena nahazoana io sokatra io, araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana. Fady mihinana sokatra mantsy ny Antandroy ary tena saro-piaro amin’io harem-pirenena io. Ankoatra ny figadrana dia tsy maintsy manadio ny ota fady nataony ireo mpangalatra sokara ka mandoa vola sy mamono omby amin’ny toerana nakan’izy ireo ny sokatra.

Na eo aza anefa izany ezaka vitan’ny fokonolona sy tompon’andraiki-panjakana any an-toerana izany dia mbola an-jatony maro ihany ireo tafavoaka sy tafakatra aty Antananarivo ary tsy hitan’ny zandary sy polisy mpisava eny an-dalana mandritra fitaterana azy ireny. Matetika dia ny fitsirihana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato vao misy ampahany tratra amin’ireo mpanondrana sokatra an-tsokosoko. Naiditra am-ponja avokoa izy ireny ary nisy ihany ny fanadihadiana natao saingy tsy mbola nisy anaran’ireo tena mpaniraka nivoaka ho fanta-bahoaka mihitsy.

Tsiahivina fa tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ireo karazan-tsokatra mandeha an-tanety aondran’ny mpanao trafika any ivelany ireo. Tsara ho fantatra kosa anefa fa any amin’ireo nosy manodidina dia efa lasa biby fiompy mahazatra ao an-trano ny sokatra malagasy. Raha atao ny isa dia mety mbola betsaka sokatra avy aty amintsika ompiana any La Réunion sy Maorisy noho ireo miaina amin’ny fomba voajanahary eto Madagasikara.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre